Mois : janvier 2026

Banky Sipem: Tohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha

Vehivavy ny 30% ny mpandraharaha eto Mada­gasikara. Toy izany koa ny 61% ny mpanjifan’ny banky Sipem. Noho ireo, manome lanja manokana ny vehivavy mpandraharaha ity banky ity. Anisan’ny olana sedrain’ny vehivavy ny hasarotan’ny fahazoana famatsiam-bola. Nambaran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny banky Sipem, Randriatsimialona Lanja, fa “omena tolotra manokana mifanandrify […]

Fanitarana ny Agoa : Andrasana ny valin-tenin’ ny loholona amerikanina

Andrasana amin’ny faran’ny volana ny fanapahan-kevitry ny loholona amerikanina mahakasika ny fanitarana ho telo taona ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Ny herinandro teo, nanao ny adisisika sy ny ezaka rehetra handresen-dahatra ireo loholona amerikanina tany Washington ny delegasionina malagasy. «Mety hisy ny latsabato amin’ny faran’ny volana, izay mety […]

Madagascar Airlines : Hampiasa ny fiaramanidin’ ny Tafika

Hampiasa ny fiaramanidin’ny Tafika Malagasy, LET- 410, ny kaompania Madagascar Airlines. Hanamora ny fitaterana ny vokatra any an-toerana izany, ary koa ho an’ny fizahantany. Voakasik’izany ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Toamasina, Sainte-Marie, Antalaha, Ma­roantsetra, Sambava, Antsi­ranana, Nosy Be. Nosan­tarina, omaly, ity zotra ity an­tsoina hoe Zébu Air. Fanda­haranasa entina […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny birao maharitra mba hanaja ny fitsipika sy ny fandaminana ny asa. «Aoka hifanaja sy hanaja ny tomponandraikitra», hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, fa mety mbola maro ny nosamborina […]

Fikaroham-bahaolana : Mitaky tondrozotra « Ady gasy » i « Del kely »

Nahitsy ny depiote Razara Pierre Fidele, «Del kely», tao amin’ny fandaharany amin’ny radio fa tokony hafainganina ny fametrahana Tondrozotra avy amin’ny Malagasy. No­tsindriny koa fa ho avy ny SADC sy ny soridalany raha mitavozavoza isika ka hataon’izy ireo dika mitovy amin’ny tondrozotra taona 2009. «Mila manana ny antsika manokana isika, […]