Maro ireo firenena mikitika an’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa maniry ny hifandray aminy i Mali, Bénin, Jordanie. Mbola manana faniriana ny hitondra ny Barea hatrany nefa ity frantsay teknisianina ity noho ny fahitany fa mbola azo atao tsara ny mampisondrotra ny baolina kitra […]
Mois : janvier 2026
Rugby – « XXL Top 12 » : Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ny Mang’art sy ny USA
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina manomboka ny alahady voalohan’ny volana febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena «XXL Top 12», amin’ny taranja baolina lavalava. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasionina, hanokatra ny fihaonana amin’ity taona vaovao ity ny fifanandrinan’ny Mang’Art Manjakaray […]
Échecs Analamanga : Hanokatra ny taom-pikatrohana 2026
Taorian’ny “Forum régional” notanterahin’ny ligin’Analamanga, taranja Échecs, hiditra avy hatrany amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026 izy ireo. Hisy, araka izany, ny fifaninanana hotontosaina ny 31 janoary izao, eny amin’ny Akademia asionalin’ ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Amin’ny maha fifaninanana fanokafana ny taona azy, tsy mifidy fa misokatra ho […]
Hazakazaka anaty natiora : Nampitomboina ny halaviran-dalana hifaninanana
Manatsara ny fifaninanana amin’ny hazakazaka anaty natiora hatrany ireo tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Ultra Trail des O’Plateau (Utop). Ho an’ity andiany faha-17 ity, nampitomboina ny halaviran-dalana amin’ireo sedra miisa 5. Ankoatra izay, handeha hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena izay mandresy na eo amin’ny lehilahy na ny vehivavy. Hiavaka ny andiany faha-17 […]
VAOVAO TAMBATRA
Laharana fahenina amin’ireo firenena azo tsidihina aty Afrika, ho an’ity taona 2026 ity, i Madagasikara, raha ny navoakan’ny Business Insider Africa. Mitana ny laharana voalohany ny Nosy Maorisy, manaraka i Botswana sy Namibia. Na izany, miavaka i Madagasikara matoa tafiditra ao anatin’ny firenena 10 voalohany amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe […]




