Mois : janvier 2026

Voaroba ny 20 tapitrisa ariary: Tovolahy 13 taona maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny jiolahy ny tovolahy 13 taona, teny Andobo, Sabotsy Namehana. 10 lahy nanafika azy mianakavy ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Voaroba ny 20 tapitrisa Ar. Notafihan’ny jiolahy miisa 10 mahery, mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray ao Andobo, fokontany Tsarafara, kaomi­nin’i Sabotsy Namehana, disi­trikan’Antananarivo Avara­drano, ny alin’ny talata 20 […]

Raharimanantsoa Hugues : Homarihina amin’ny fampiofanana ny faha-80 taonany

Homarihin-dRaharimanan­tsoa Hugues amin’ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa ny fankalazany ny faha-80 taonany, ny 31 janoary izao. Taranja 4 no hanomezany izany. Eo ny taranja karate-do, Yoseikan Budo, Tai Chi Chuan ary ny Iai Do. Hotan­terahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankatso ity hetsika ity ka hizara roa mazava tsara. Ny iray […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina any Maurice, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana eo amin’ny taranja Taekwondo WT, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra fahafito. Vonona ny handray anjara amin’izany i Madagasikara, ary mikasa ny handefa atleta lahy sy vavy. Ho fanomanana izany, misy ny lalao fitsapana ho an’ireo Malagasy mpikatroka eny […]