Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra, ny filaharana vaovaon’ireo firenena mifanintsana amin’ity taranja ity maneran-tany. Nisondrotra eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara na dia tsy nandray anjara tamin’ny Can farany teo aza. Niakatra laharana iray indray. Na dia tsy niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika […]
Mois : janvier 2026
Filohan’ny Antenimierampirenena: “Aoka hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”
“Ny hita amin’izao, lasa tsy mahay indray ny fitsarana? Fa nahay izy teo aloha… Rehefa amin’ny andro inona dia marina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana? Misy resaka politika ao anatiny. Aoka kosa hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”. Izay ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanalana ireo […]
OniveRsiten’Antananarivo : Nohavaozina ny laboratoara fianarana teny japoney
Vita ny fanavaozana ny laboratoara ho an’ny fianarana teny japoney eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ary notokanana tamin’ity herinandro ity, teny Ankatso. Tafiditra amin’ny fanohanana tetikasa madinika vita sonia ny taona 2025 ny asa fanavaozana, mitentina 331 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ho an’ny fianarana teny japoney ny fisian’ny laboratoara nanomboka ny taona […]
Andro ratsy : Tombanana hiditra an-tanety anio maraina
“Omaly tolakandro, tany amin’ny 495 km andrefan’ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Dépression tropicale hatrany ny sokajy misy azy. 55 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 75 km isan’ora. Mikisaka miatsinanana izy ka […]
Fampianarana ambony: Maro ireo sekoly doktoraly tsy manaraka fenitra akademika
Tsy ankitsitsy ny eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Handraisana fepetra ary miafara amin’ny fanakatonana ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ireo sekoly doktoraly… Hentitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa namoaka ny naoty fampahatsiahivana ho an’ireo filohan’ny oniversite sy talen’ny sekoly doktoraly rehetra. Mampitandrina ny minisitera amin’ireo didy aman-dalàna mahakasika […]




