Fanafihan-jiolahy : Tokantrano roa voaroba 17 tapitrisa Ariary

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano miisa roa tao amin’ny kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo, tamin’ny 11 ora. Lasa ny vola an-tapitrisany.

Lasan’ny olon-dratsy ni­tam-basy ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar tao amin’ny tanànan’Antsampa­nimahazo Avaratsena, fokontany Avaratrakolahy, kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy 31 janoary teo. Na­se­sin’ireo tsy valahara ny tokantrano miisa roa anatin’io fo­kontany io. Tsy namelan’izy ireo raha tsy fongana tanteraka ny vola tao amin’ireo niharan’ny fandrobana. Miisa fito lahy ireo mpanao ratsy nanafika, araka ny fitantaran’ny tompon-trano. Nanararaotra ny ora-nikija, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano efa nokendreny ireo jiolahy. Nopitsohin’ izy ireo ny hidim-baravarana vy. Tafiditra ka nanambana ary nanapoaka ny basy ireo tsy mataho-tody.
Lasan’izy ireo ny vola 10 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrao voalohany. Mpivarotra io niharan’ny fanafihana io. Renim-pianakaviana iray naratra vokatry ny herisetra nahazo azy. Naratra teo amin’ny faritry ny lohany izy saingy tsy nahina ny ainy. Tetsy ankilany, nifindra tamin’ny tokantrano iray hafa indray ireo jiolahy ireo. Nokorontanin’izy ireo ny trano ary nosavainy ny fitoeram-bola. Lasa ny 7 tapitrisa Ar. Mitotaly 17 tapitrisa Ar ny vola voaroba tamin’io alina io. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Nanao fanarahan-dia, saingy tsy hita soritra ny nandosiran’ireo mpanao ratsy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: