Fondation Axian : Notokanana ireo CSB II miisa 4 ao Antsirabe

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny CSB II miisa 4, ao Antsirabe, izay afaka hositrahin’ny olona maherin’ny 200 000 amin’ireo kaominina misy ny fotodrafitrasa. CSB ao Ambohimanarivo, Tsi­va­trinikamo, Ex-CSS ary Atsi­nanantsena ireo notokanana tamin’ny fomba ofisialy.
Nanentana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, nanotrona ny fitokanana, fa tokony ho ny rehetra mihitsy no misitraka ny fotodrafitrasa. Tetsy andaniny, ny tale mpitantana ny Fondation Axian, Mialisoa Andrianasolo, nilaza fa ny fiaraha-misalahy amin’ny ezaka ataon’ny fanjakana ho tombontsoan’ny Malagasy no imasoana. Fotodrafitrasa ma­haritra miantoka ny mahasoa ny vahoaka no natao.
Hitondra fanatsarana amin’ny fandraisana ireo marary sy ireo ankizy atao vaksiny ary ireo tonga manao fandrindram-piterahana ny CSB nohavaozina sy natao hifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro.
Hampitombo ny fitokisan’ny marary ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny fampiasana ny fotodrafitrasa ma­dio sy mirindra. Torak’izany ny fahavitrihan’ny mpiasan’ny fahasalamana hiasa ao.
Tao anatin’ny 15 taona niseharan’ny Axian, nilofo tamin’ny fanohanana ny sehatra sosialy, toy ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy sekoly, izy ireo.
Efa nahatratra 26 ny tobim-pahasalamana any amin’ny faritra 9 namboariny. Misy koa ny sekoly 228 nasiana fanamboarana sy fanavaozana.

Tatiana A

Partager sur: