Nifampitadiavan’ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana, nanomboka omaly, ny voafonja miisa 14 lahy tao Moramanga. Nandositra ny fonja izy ireo, araka ny loharanom-baovao voaray. Nivoaka antsokosoko tao amin’ny efitrano B nihazonana azy ireo. Voalaza fa nolavahana ny rindrina ka nahamora ny fandosirana ny faritra misy mpiambina izany.
Nanao tatitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny fonjan’i Moramanga fa nisy ny fahavakisana, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany maraina.
Heverina ho nanararaotra ny fisiana andro ratsy sy ora-nikija ry zareo. Samy anatin’ny famitana ny saziny avokoa ireto nanita-kevitra tamin’ny fandavahana rindrina. Na izany, efa voarakitra an-tsary sy fantatra avokoa ny mombamomba ireo olona karohina. Miroso amin’ny fikarohana avy hatrany ny tomponandraikitry ny filaminana rehetra ao Moramanga, nanomboka omaly. Naparitaka eny anivon’ny tambajotran-tserasera rahateo ny sarin’ireo gadra nandositra. Manoloana io tranga io, nandray fepetra hentitra ny tomponandraikitry ny fonja ao Moramanga. Namafisina ny fiambenana sy fanaraha-maso ireo voafonja rehetra.
Tsiferana R.




