Rivodoza Fytia : Olona iray maty, 22 067 traboina

Lehilahy iray maty nianjeran’ny trano, teny Andohamandry- La Haute Ville, iray hafa lasan’ny rano tany Mahajanga, vokatry ny fandalovan’ny Rivodoza Fytia, tamin’ny faran’ny herinandro. Tafakatra 22 067 ny olona traboina, araka ny tatitry ny BNGRC.

Araka ny tatitra vonjimaika navoakan’ny birao mahaleo tena mitantana ny fiatrehana ny loza voajanahary na BNGRC, omaly, nisy ny maty, ny lasan’ny rano, ary ny traboina. Fantatra fa raim-pianakaviana iray no maty vokatry ny fianjeran’ny trano tetsy Andohamandry, Antana­na­rivo faharoa. Ankoatra izay, nisy olona iray koa tsy hita popoka, lasan’ny reniranon’i Mahamavo, ao amin’ny kaominina Ambalakida, Mahajan­ga II. Niampy olona dimy hafa naratra izany.
Tafakatra 4 981 ny tokantrano traboina, ahitana olona 22 067. Olona 8 441 tsy main­tsy nafindra toerana (tokantrano 2 346). Naparitaka amin’ny toerana 34 fandraisana manokana ny traboina sy nalefa any amin’ny fianakaviany izy ireo.
Voalazan’ny tatitra hatrany fa miisa 646 ny trano dibo-drano. 104 ny trano nahitana fahasimbana, 813 no rava. 18 ny efitranon-tsekoly simba, 11 lasan’ny rivotra ny ampahan’ny tafo. Efitrano sekoly 11 hafa simba amin’ny ampahany ary telo hafa rava tanteraka.
Distrika maromaro
Distrika 17 no nahazoana tatitra hatramin’ny omaly, anatin’ny faritra dimy Boeny, Analamanga, Melaky, Sofia ary Vakinankaratra.
Namoaka filazana loza mitatao, miloko mena, ho an’ny reniranon’i Sisaony ny Apipa, omaly. Noho ny habetsaky ny rotsakorana, manambana ho vaky ny fefilohan’ny Tolon­goina, kaominina Am­pahi­trosy, distrikan’Anta­nana­rivo Atsimondrano. Ahina ho tra-doza ny fokontany maro ao anatin’ny kaominina Soa­landy Ankadivoribe, Soavina, Ampa­nefy ary Anosizato Andrefana
Mila mailo sy mifindra amin’ny toerana azo antoka ny mponina manamorona ny renirano mba tsy ho tampohin-doza.

Maika ny fiahiana
Manoloana ny voina, vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny fiahiana ny maha olona sy ny fanarenana ny simba. Nisy ny dinikasa teo amin’ny minisitry ny Atitany sy ny fi­tsinjaram-pahefana sy ny BNGRC hametrahana paikady matotra amin’ny fanangonana sy fanamarinana ny vaovao, indrindra ny antontanisa. Vonjy aina sy fahafaha-mandray an-tanana an’ireo traboina anatin’ny fotoana fohy no imasoana.

Tatiana A

Partager sur: