VAOVAO TAMBATRA

Misy ny laharana maitso 918 azo antsoina maimaimpoana ho an’ny olon-drehetra eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Natokana handraisana sy hanamorana ny fitorohana ireo tranga miendrika kolikoly sy fanairana ireo fihetsika ahiahina ho kolikoly io laharana io. Laharana amin’ny tambajotra Oran­ge io 918 io, ny 032 32 11 918 kosa ho an’ny tambajotra hafa. Andro fandraisana ny antso ny alatsinainy ha­tramin’ny zoma, amin’ny 8 ora hatramin’ny 4 ora hariva. Amin’ny hafatra feo kosa ny sabotsy sy alahady.
Amboarina daholo ny lalana tena ratsy amin’ny RN 25. Teboka 5 no tena simba, manakaiky ny distrika Ifanadiana, atao laharam-pahamehana. Efa ma­nomboka ny asa, eo ambany fanaraha-mason’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy Vatovavy. Hafainga­nina ny asa, indrindra any amin’ireo toerana tena mampidi-doza ho an’ny mpampiasa lalana. Tsy nisy ny fikojakojana ny RN 25 hatramin’izay, nefa lalana stratejika mampitohy an’i Vaingandrano hatrany Nosy varika sy ny maro hafa.
Toeram-pikarohana lehibe ao amin’ny Valanja­va­boahary Ranomafana ny foibe Valbio. Mifantoka ma­nokana amin’ny fikarohana momba ny karazana zavamananaina mampiavaka an’i Madagasikara, toy ny varika, ohatra. Ny fitantanana maharitra ny harena voanajahary tsy misy afa-tsy eto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny ala mandon’Atsinanana ny valanjavaboahary Ranomafana. Voasokajy ho vakoka iraisam-pirenena sady be mpitsidika izy ity.

Partager sur: