Antsirabe : Sehatra maro no iasan’ny Fondation Axian

Maro ireo fotodrafitrasa natsangan’ny Fondation Axian ao Antsirabe. Mahasahana se­hatra samihafa izany. Ani­san’ny nisongadina nandritra ny fitsidihana tany ann-toerana ny fanavaozana ny EPP Mia­ramasoandro, sekoly Yas voalohany naorina tamin’ny taona 2015. Mankalaza ny faha-10 taonany ny sekoly amin’izao fotoana ary efa an’ arivony ny mpianatra nandalo tao, raha ny fanazavana nen­tin’ny talen-tsekoly, Raza­nadramaha Délphine Marie Pierette.
Mihatsara hatrany ny vo­ka-panadinana CEPE. 7 mianadahy ny mpanabe, ka Fram ny iray amin’ireo.
Nitondran’ireo orinasa mi­vondrona ao amin’ny Fon­dation Axian (Mvola, Madio Toa…) tohana ihany koa ny kianja filalaovana handball ao amin’ny Lycée André Resam­pa. Tanjona ny hampidirana ireo ankizy zanaky ny lalana amin’ ny sehatry ny fanatanjahan­tena izay iarahana amin’ny fikambanana Grandir à Antsi­rabe. Tanora mpianatra amin’ ny sekoly maro no misitraka ny kianja. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena mihitsy ity kianja naorin’ny Fondation Axian ity. Ankoatra ireo, ny EPP Garbit izay nohavaozina tanteraka ihany koa niaraka tamin’ny orinasa Yas ka efitrano 5 no nasiana fanatsarana. Nohavaozina tanteraka ny sekoly satria efa tena tranainy. Nasiana toeram-pisakafoana ihany koa, ho an’ireo mpianatra.

Tatiana A

Partager sur: