EDBM : Voatendry ho PCA Rabarisoa Andrianaina

Vita Sonia omaly ny famindram-pitantanana eo amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny (PCA) Economic Deve­lopment Board of Madagascar, vaovao, Rabarisoa Andri­anaina sy ny PCA teo aloha, Randriamandranto Joël. Mpi­tsara sady manana traikefa mihoatra ny 20 taona ity tompon’ andraikitra vaovao ity ary efa nisahana ny fifidianana tamin’ ny taona 2013 tamin’ny maha mpikambana azy tao amin’ny Cour électorale spéciale. Efa nitana andraikitra talen’ny kabine­tran’ny minisiteran’ny Fitsarana ary “Président de chambre” tao amin’ny “Conseil d’Etat”. Mpianatra nivoaka teny amin’ny ENA/INSP ary ENMG Rabarisoa Andrianaina ary izy indray no hitantana ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny EDBM miaraka amin’ireo mpikambana eo anivon’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Marihina fa andraikitry ny EDBM ny fampiroboroboana ny famatsiam-bola sy fanohanana ny sehatra tsy miankina. Andraikiny manokana ihany koa ny fampivoarana ny toeka­rena amin’ny alalan’ny fametrahana ny birao misahana ny fampiasam-bola stratejika. Miara-miasa akaiky amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany ihany koa izy mba hidirany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna sy hisitrahana ireo soa fanararaotra samihafa hampivoarana ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: