Faritra Atsinanana: Zana-kazo 22 500 novolena

Natomboka ny 30 janoary teo ny taom-pambolen-kazo 2026 ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ampangadiampasika, fokontany Hoavimamiratra, kaominina Savalaina, distrika Brickaville, no nanatanterahana izany.

Miisa 22 500 ny zana-kazo (Hintsimbazaha, Tsitoavina ary Kongi­na) nambolena tamina velaran-tany 15 ha. Nanohana sady mpiara-miombon’antoka amin’ ny fitanatam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsi­nanana ny orinasa tsy miankina Canpy. Nilaza ny tale jeneraliny, Ran­driantsitohaina Rolland, fa tany karakaina ny toerana, saingy handonaka azy ny fa­kan’ireo zana-kazo telo karazana nambolena, ka ho lasa azo ampiasaina amin’ny karazam-pambolena rehetra.
Nohazavain’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana, Rana­simanana Rosette, ny lohahevitra ho an’ny taom-pambo­lena 2025-2026, « Izay mamboly hazo, manome aina ho an’ny taranaka ». Fanokafana ny fambolen-kazo ity atao ity, fa ampirisihina ny rehetra, ny fikambanana, ny olon-tsotra, sns, hamboly hazo. Nilaza ny filohan’ny Fampanoavana, fi­tsarana Toamasina, Vahiny Yvi Sandro, fa raha tia ny tanindrazana dia tsinjovina ny hoavin’ny taranaka sy ny fandraisana anjara hanamai­tsoana an’i Madagasikara. Noha­mafisiny fa maro ny tombontsoa azo avy amin’ny ala.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: