Efa eny am-pelantanan’ny tomponandraikitry ny fonja ao Moramanga, omaly, ny roa lahy tamin’ireo gadra 14 nandositra. Anatin’ny fikarohana ireo voafonja miisa 12 ambiny izay anisan’ny nandositra tao amin’io fonja io ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana, amin’izao fotoana. Nandritra ny fikarohana, roa lahy tamin’ireo tafaporitsaka no tafaverina am-ponja, omaly. Gadra mamita sazy mandra-pahafaty io azon’ny mpitandro filaminana io. Voasaringotra tamin’ny tranga vono olona izy ary niakatra fitsarana, naiditra ny fonja ny 24 marsa 2022. Ankoatra azy, lehilahy iray hafa vao notanana am-ponja ny volana mey 2025 teo ilay faharoa. Mpangalatra ity farany ary nikasi-tanana ireo olona nanaovany fandrobana. Efa nandalo fitsarana ihany koa izy ary mamita sazy, kinanjo anisan’ireo nandositra tamin’ io afakomaly maraina io. Na izany aza, tsy lasa alavitra izy roa lahy dia voasambotra. Mitohy ny fikarohana ireo gadra hafa. Raha tsiahivina, nolavahan’ireo gadra miisa 14 lahy nandritra ny andro ratsy, ny marain’ny alahady 1 febroary tamin’ny 3 ora sy sasany, ny rindrin’ny fonja nisy azy ireo, tao amin’ny efitra B. Nanararaotra nandositra avokoa izy ireo taorian’io. Nandray andraikitra hentitra ka nanamafy ny fanaraha-maso ireo voafonja ny tomponandraikitra ao an-toerana.
Tsiferana R.




