Ity vao tena TIM na ny teo ihany no miverina! Ikotozafy ihany no “leksisy”! Manomboka mampiaka-pofona indray ny tanora. Milaza ireo mpitolona fa tena nivaralila ny valin’ny fitakiana natao ny volana septambra teo. Fomba fijery izay maha be resaka ihany koa anefa. Maro no tsy nahazo toerana tamin’ny fitondrana no mampiaka-peo mba te hakahaka ny anjarany ihany koa.
Tsy hita izay ho ambara betsaka, fa ny raharaham-pirenena aloha dia mitohy tahaka ny tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitohizan’ny raharaham-panjakana rahateo fa tsy Tetezamita. Mandeha ny fitetezam-paritra sy ny fitokanana fotodrafitrasa. Efa manomboka ny vaky lay amin’ ny fametrahana fototra politika. Na ho kandidà na tsia aloha ny filoham-panjakana dia mibaribary ny fidinana ifotony.
Tsy takona hafenina intsony ny fidirana lalindalina kokoa amin’ny tontolo politika. Manomboka mahazo faka sy mahazo tsirony ilay fahefana avokoa ireo nahazo toerana. Mandeha ny mandeha, hoy ny fitenin-jatovo fa izay tsy tafaondrana an-tsambo tamin’ireny fotoan’ny tolona ireny dia efa very aloha, hatreto. Tsy mahagaga raha misy ny manangatra tsikelikely.
Ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara mihitsy no mila fanavaozana amin’izao fotoana izao. Raha ny olona homena seza fotsiny no mifandimbidimby dia zava-poana. Tsy misy varany, hoy ny fiteny avy any avarabaratra any. Sanatria ho fanonganam-panjakana tokoa ny resaka, lasa ifanenjika eto Ramalagasy. Izay mahazo tombony, midingin-drambo; ny tsy nahazo seza, miaka-pofona.
Izany rehetra izany no ilana arofanina goavana sy tsara fototra ho an’ny fanjakana mijoro. Madagasikara tafita any amin’ny Repoblika vaovao no tanjona. Manana filohan’ny Repoblika voafidim-bahoaka, eken’ny besinimaro. Miaraka amin’ny lalàmpanorenana vaovao!
r.r




