Nosokafana ny faran’ny volana janoary teo ny asa “tolo-tanana” ho fanomezana fahasalamana maimaimpoana, karakarain’ny “Rotary” ho an’ny vahoaka ao amin’ny faritra Menabe. Maro ny fandidiana atao toy ny sima, hernie, may (miraikitra), vaky lanilany…. Haharitra hatramin’ny 6 febroary ny hetsika. Nomarihina fa maimaimpoana avokoa hatramin’ny fanafody ary raisina an-tanana na ireo avy lavitra aza.
Nitsidika ny CFP Ambohibary (Vakinankaratra) ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nijerena manokana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana enti-mampiofana eny an-toerana. Mpiofana 110 no voasoratra anarana ao amin’ny ivontoerana ka ny antsasamanila amin’izany dia vehivavy liana amin’ ny fanofanana arakasa ahafahany mahaleo tena sy manampy ny fidiram-bola ao an-tokantrano.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny EPP Andafiatsimo, Cisco Antsirabe I, ny sabotsy lasa teo. Ahitana efitrano fianarana miisa 12, mpianatra miisa 370 hiandraiketan’ny mpampianatra miisa 10, birao, famakiam-boky, trano fidiovana, toeram-pisakafoana, efitrano lehibe ary kianja filalaovana baolina kitra ity fotodrafitrasa vaovao ity.




