Loza mitatao ho an’ny kaominina enina : Atahorana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony

Mbola faritra mena ny kaominina enina, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Mampanahy ny mety ho fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony. Efa tafakatra 2m 24 rahateo ny haavon’ny renirano, eo Ampitatafika.

Manambana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony, morony havanana, any Ampahitrosy. Mbola mitoetra, araka izany, ny filazana loza mitatao (mena) amin’ny tondradrano amin’ny kaominina enina: Ampahitrosy, Soalandy, Ankadivoribe, Ampanefy, Soa­­vina ary Anosizato Andrefana. Nivoitra izany taorian’ny fiti­liana ny fandehan’ny renirano eto amin’ny lemak’Anta­na­­na­rivo, navoakan’ny Apipa, omaly maraina. Tafakatra 2m 24 ny haavon’i Sisaony, eo Ampitatafika. Niakatra 0,43m ny haavon’ny rano tao anatin’ ny 24 ora. Mbola hiakatra izany ao anatin’ny 12 ora ma­naraka. 3 m ny refy fampitandremana loza manambana eo Ampitatafika.

Fito ny olona maty

Momba ny takaitra nave­lan’ny rivodoza Fytia, nanambara ny BNGRC fa 27 ny distrika amin’ny faritra enina voakasika: Boeny, Analamanga, Melaky, Sofia, Vakinankaratra ary Betsiboka. Miandry ny tatitra avy amin’ny faritra roa : Atsinanana sy Alaotra Man­goro, ny tomponandraikitra. Hatramin’ny omaly, ho an’ny faritra enina, fito ny olona maty (iray eto Antana­narivo, iray any Ambatoboeny, roa any Soalala ary telo any An­jo­zorobe), iray ny olona tsy hita popoka lasan’ny rano, tao amin’ny reniranon’i Maha­ma­vo, ao amin’ny kaominina Ambalakida, distrikan’i Maha­janga II. Dimy ny olona naratra.
54 518 ny traboina

54 518 ny isan’ny olona tra­boina (tokatrano 12 412), naha­tratra 20 064 ny olona nafindra toerana (tokantrano 5 095), trano 9 490 dibo-drano, 1 291 simba ary 1 465 rava. 98 efintranon-tsekoly tsy misy tafo in­tsony, 49 simba amin’ny am­pa­hany ary 44 hafa rava tanteraka.
Momba ny toetry ny andro mandritra ity herinandro ity, hahazo vahana ny talio any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Hahazo vahana kosa ny tsioka atsimo na atsimo-atsinanana na any amin’ny faritra hafa manomboka ny fisasa­han’ny herinandro. Hanorana ny andro amin’ny ankapobeny any amin’ny tapany avaratra sy ny ilany afovoany andrefan’ ny Nosy. Manodidina ny 14 – 28 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 25 – 36 °C ny tolakandro.

Vonjy

Partager sur: