Mpamaky trano : Olona fito voasambotry ny zandary

Mitohy hatrany ny famongorana ny mpanao asa ratsy, iandreketan’ny mpitandro filaminana. Andian-dehilahy miisa enina sy vehivavy iray indray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soavina, omaly. Tra-tehaka teny Ankadimbahoaka, teo am-pivarotana entana sy koja­kojan-tokantrano halatra, izy ireo. Anisan’ny tratra, tamin’ izany, ny vilany aluminium miisa telo, rice cooker ary radio. Ankoatra izay, mbola hita teny amin’izy ireo koa ny fitaovana hafa, toy ny clé, tourne vice sy ny maro hafa.
Tsiahivina fa nitrangana vaky trano teny Analapanga Soavina, disitrikan’Atsimondrano, ny alin’ny 7 janoary 2025 lasa teo. Lasan’ny olon-dratsy, nandritra izany, ny entana maromaro tao an-trano. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimariam-pirenena ny tompon-trano lasibatra taorian’ny tranga. Natao ny fikarohana izay nahavanon-doza ka izao tratra izao.
Raha ny fanazavana voaray, mbola avy namaky trano sy nangalatra tamin’ny tokantrano iray izy ireto, afakomaly alina. Natao ny fanarahan-dia ireo olona noahiahina ka izao tra-tehaka teny Ankadimbahoaka izao.
Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandary izy ireo amin’izao fotoana izao. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: