Olona sembana : Manana filana… te hanan-taranaka

Toy ny olon-drehetra, manana fo mitempo, manana faha­tsapana ary manana saina afaka hisafidy ny lalam-piainany ireo olona manana fahasembanana. Na misy fahasamihafana ara-batana aza, mitovy zo amin’ny olombelona rehetra ihany koa izy ireo.
Manam-pitiavana ary mahatsapa ho tiana sy manana filana ara-nofo toy ny olombelona rehetra izy ireny. Vitsy anefa ny ankohonana no mahatakatra izany.
“Maniry mafy ny hanan-taranaka ihany koa izahay satria tsy ho eo foana ny ray aman-dreny na ny mpiray tampo fa hafa mihitsy izany manana zanaka handimby izany”, hoy izy ireo. Misy ireo mahazo vady ary manorin-tokantrano ara-dalàna. Ny sasany kosa mahatsapa fa tsy hahazaka ny hanambady mihitsy fa misafidy ny hiteraka fotsiny. “Rehefa miteraka sy manan-taranaka dia efa zava-dehibe fa tsy voa­tery hanambady”, hoy ny hevitry ny sasany.
Tsy manaranaka ny fahasembanana ara-batana ka tsy atahorana hifindra amin’ny zaza ateraka. Matoa vonona hiteraka dia vonona hitaiza ihany koa ka tsy tokony hofeperan’ny fianakaviana.
Mbola maro ireo ray aman-dreny, fianakaviana sy fiarahamonina mifehy ny fahafahan’ireo olona manana fahasembanana amin’ny sehatry ny fananahana.

Tatiana A

Partager sur: