Mivoatra hatrany ny tolotra omen’ny Yas Madagascar ny mpanjifa. Anisan’izany ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ izy ireo sy ny Rapide App, hanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny Yas&Moi. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezena amin’ny andavanandro sy hanolorana vahaolana haingana sy azo itokisana ho an’ny sehatry ny fitaterana. Maherin’ny 6,7 tapitrisa ny olona mampiasa ny internet eto Madagasikara. Manjary fitaovana tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny mponina ny niomerika. Mamaly izany indrindra ny Yas. “ Natao hanamorana ny fitaterana eto an-dRenivohitra ny Rapide App, amin’ny alalan’ny fampiasana fiara na moto. Tolotra azo ampiasaina mandritra ny 24 ora anatin’ny fito andro tsy an-kiato”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa, Randrianjatovonarivo Henintsoa, ny zoma teo. Tsotra sy haingana ary natao ho an’ny sokajin’olona rehetra ny tolotra. Araka izany, misy ny fihenam-bidy 10% amin’ny alalan’ny fampiasana ny Yas&Moi. Mahatratra hatrany amin’ny 50% kosa izany mandritra ny roa herinandro, nanomboka ny 2 febroary teo, nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny tolotra.
Porofo izao fa manitatra ny sehatra hiasany ny Yas, mbola izy ihany koa no orinasam-pifandraisan-davitra manome tolotra fitaterana voalohany amin’ny alalan’ny “application mobile”. Noho izany, vaindohan-draharahan’ ny orinasa ny hampiroborobo ny niomerika sy ny fifandraisana eto Madagasikara.
Henintsoa




