TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny 30 janoary 2026 teo, ny vehivavy iray 26 taona. Tratra nitondra rongony nilanja 80 kg tetsy amin’ny fiantsonan’ny fiara Andohatapenaka izy io, ny 25 janoary 2026. Avy any Mampikony nikasa ho any Toamasina ny diany. Nafeniny tany anaty valizy miisa efatra izany.
Lehilahy iray voasambotry ny polisy avy amin’ ny Unité d’intervention rapide (UIR) teny amin’ny fokon­tany Bekiraro, ny zoma 30 janoary 2026 lasa teo. Tratra ambodiomby teo am-panatanterahana ny asa ratsiny. An­koatra izay, lehilahy iray hafa koa voasambotra noho ny fisandohana ho Polisy, tetsy Isotry. « Electricien » ny asa­ny, rehefa nohadihadiana.
Hita faty, omaly, tany amin’ny kaominina Iavo­nomby Vohibola, distrikan’Isandra, ny tovolahy iray, izay nampiahiahy ny mponina tamin’ny fanaovana asa ratsy tany an-toerana. Nokasainan’ny fokonolona hosamborina izy io ny sabotsy 31 janoary 2026 lasa teo, nefa nandositra sy nitsoraka tao anaty rano lalina.
Hita tao anaty toerana fisotroana zava-pisotro misy alikaola, omaly, ny ramatoa iray, nanary sy nanome ny zanany vao telo volana tamin’olon-kafa tany amin’ny tetezana Madiolahatra, ny alahady lasa teo. Efa fanaony ny manome ny zanany ho an’olon-kafa tahaka izao, raha ny fanazavan’ny olona. Miatrika fanadihadiana ao amin’ny polisy ny tenany.

Partager sur: