Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no matin’ny daroka teo amin’ny hatony, afakomaly. Voaroba ny vola mitentina 5 tapitrisa Ariary. Nafenina tao anaty bozaka tao Ankerana Avaratra, ny razana.
Nifampitadiavan’ny olona akaiky azy, hita faty tao Analandrandirana, antampon’ny Betatamo, kaominina Ankerana Avaratra, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny lehilahy iray, afakomaly maraina. Mpamily kamiao sady voairaka hanangona vokatra eny amin’ny kaominina ambanivohitra sasantsasany ao amin’ny distrika ity lasibatra ity. Niaraka tamin’ny mpibata entana miisa roa lahy izy, tamin’io diany io. Nikasa hividy vary eny amin’ny tantsaha izy telo lahy. Vola mitetina 6 tapitrisa Ar no tany am-paosiny.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia nitarika azy ny iray tamin’ireo mpibata entana. Nihazo ny tanànan’i Manatsara izy roa lahy mianaka, ny zoma 30 janoary. Niandry tao amin’ny toerana nisy ny kamiao kosa ny mpibata entana faharoa. Nandeha an-tongotra ny roa lahy, handeha hanagom-bary. Nanomboka teo no tsy tratra antso intsony izy ireo.
Niezaka niantso azy roa lahy ilay niambina teny amin’ ny fiara. Nanontany mponina ao amin’ny tanàna manodidina saingy nilaza ho tsy nisy nahita ireo roa lahy mianaka ny tao an-tanàna.
Vatana mangatsiaka
Taorian’ny fikarohana nataon’ny olona akaiky azy sy ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana, hita faty tao amin’ny tanànan’ Analandrina ilay raim-pianakaviana mpamily sady mpanangom-bokatra. Sarontsaron’ny bozaka izay niala kely ny lalana ny vatany. Nozahan’ ny tomponandraikitra ny nofo mangatsiaka. Heverina ho niharan’ny daroka tao amin’ ny hatoka no nahafaty azy. Lasan’ ny mpanao ratsy ny vola mitetina 5 tapitrisa Ar. Tavela tao am-paosiny ny 1 tapitrisa Ar rehefa tsy hitan’ny mpandroba.
Karohina ilay mpibata entana niaraka tamin’ity voaroba sy novonoina. Efa am-pelantanan’ny manam-pahefana avokoa ny mombamomba azy rehetra, araka ny loharanom-baovao.
Tsiferana R.




