Hanamafisana ny ady amin’ny valanaretina Mpox, nanome fitaovana hampiasaina eny amin’ny toerana mandray an-tanana ny mararin’ity aretina ity ny Mercy Ships.
Mitondra fanantenana sy fanasitranana ho an’ny marary no tarigetran’ny Mercy Ships ka izany indrindra no hitondrany tolo-tanana hiadiana amin’ ny aretina Mpox.
“Mpiara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana izahay ary manana adidy amin’ny ady amin’ny valanaretina”, hoy ny tomponandraikitra. Efa hatramin’ny taona 2016 no nanombohany niasa teto Madagasikara.
“Ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ny hopitalim-panjakana no mikarakara ny mararin’ny Mpox. Hanampy betsaka ny fahatongavan’ny fitaovana”, hoy ny tale jeneralin’ny fampitaovana sy ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Antananarivo sy Mahajanga no hisitraka voalohany ny fitaovana avy amin’ny Mercy Ships satria ireo no toerana be marary indrindra, raha ny fanazavana. Manamafy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ny fampitaovana toy izao ary manamafy ny rafitry ny fahasalamana misy eto Madagasikara.
Tatiana A




