Ambohitrabiby : Lasibatry ny mpanendaka hatramin’ny mpianatra

Velon-taraina amin’ny afi­tsok’ireo mpanendaka an-dalam­be ny mponina ao amin’ny fokontany Antanam­bao, kaominina Ambohitra­biby, PK17. Olona miisa telo samihafa niharan’ny fanendahana nataon’ireo olon-dratsy tao anatin’ny roa herinandro. “Mpianatra hamonjy toeram-pianarana eny amin’ny CEG vao maraina no efa lasibatra”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao ao an-toerana. Voalaza fa hanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny ny toerana manomboka eo amin’ny fiantsonan’ny Bus H mihazo ny tohodrano ao Andrianam­bo, mihazo ny fokontany Amba­tomitsangana. Miisa telo lahy ireo mpanao ratsy ary misitrika anaty ala kininina izy ireo mitazana ireo mpandalo. “Mpiantsena, mpivarotra mi­vezivezy samy lasibatra avokoa”, hoy ny fitarainan’ny mponina. Lasan’ireo mpandroba ny vola, miampy entana hatramin’ny sakafon’ny mpianatra izay lasibatra. “Misy amin’ireo niharan’ny fanendahana lasibatra noho ny fifampisintomana”, araka ny fanazavana. Mahazo vahana anefa ireo mpanao ratsy noho ny tsy fisian’ny fiara mpitatitra mampitohy ireo tanàna ireo satria mandeha an-tongotra maharitra 30 minitra hatramin’ny 1 ora ireo mponina. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fanaraha-maso ny fandriampahalemana ao an-toerana ny mponina.

Tsiferana R.

Partager sur: