Ankorondrano: Mpamaky fiara voasam­botry ny polisy

Lehilahy nandroba fiara voasambotry ny polisim-pirenena eo anivon’ny Poste avancé Ankorondrano, boriborintany fahatelo, ny alatsinainy 2 febroary teo. Nitondra fiara marika Starex ny renim-pianakaviana iray ary nikasa hividy kojakoja ho an’ny fiarakodia teny an-toerana. Nihaodihaody teo amin’ny fiara ny lehilahy iray mpanao ratsy. Nosokafany io fiara io ary lasany ny poketra an’ilay ramatoa mpamily. Nandositra io lehilahy io taorian’ny asa ratsiny. Nampandre ny mpitandro filaminana miasa eny amin’ny manodidina ny lasibatra. Raiki­tra ny fanenjehana natao tamin’ilay mpandroba. Vokany, tratra tsy lavitra ny toerana nanaovany io fandrobana io ilay mpanao ratsy. Tratra teny aminy ny poketra nangalariny sy ny fitaovana manokana fampiasany rehefa mamaky fiara. Naverina tamin’ny tompony ny poketra raha toa ka nentina nihazo ny biraon’ny polisy ilay tontakely. Tsiahivina, lehilahy iray tratra nangalatra moto teny amin’ny trano fitaratra, eny Ankorondrano ihany, ny volana janoary lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: