Faritra sivy mitondra takaitra : 66 414 traboina, folo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Fytia

Nitombo ho 66 414 ireo olona traboina ao amin’ny distrika 30, anatin’ny faritra sivy, mitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia. Folo ny olona namoy ny ainy ary fito naratra.

Folo ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia teto Madagasikara (iray teto Antananarivo, iray tany Ambato Boeny, efatra tany Soalala ary efatra tao Anjozorobe). Mbola olona iray ihany koa tsy hita popoka lasan’ny rano, fito ireo naratra. Nitombo ho 66 414 ireo traboina (amin’ny tokantrano 15 467). Any amin’ny distrikan’i Soalala no maro an’isa amin’ny traboina, mahatratra 22 965. Eto Antananarivo, 10 109 ny traboina.
Ho an’ny faritra Ana­lamanga, mahatratra 2 976 ny olona nafindra toerana vonjimaika eny amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, Ambatola­ona ary Antanana­rivo Renivo­hitra. Fito ny toeram-pandraisana ka eny amin’ny ANS Ampefiloha sy ao amin’ny biraon’ny fokontany Anosibe Zaivola no mitoby ny traboina ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, araka ny fampitam-baovaon’ny BNGRC, omaly.
23 712 ny olona voatery nafindra toerana (tokantrano 6 151) ka olona 18 712 mipetraka amin’ny toeram-pandraisana 48 ary olona 5 105 niantrano any amin’ny fiankaviany. Momba ny fotodrafirasa, 11 532 ny trano dibodrano, 1 408 simba ary 1 804 rava. Efitrano fianarana 98 tsy manana tafo intsony, 49 simba amin’ny ampahany ary 44 hafa rava tanteraka. Ao amin’ny faritra Boeny no ahitana efitranon-tsekoly 38 rava tanteraka.
Boeny, Analamanga, Me­laky, Sofia, Vakinankaratra, Betsiboka, Atsinanana ary Itasy ireo faritra voakasika.
Eto Antananarivo, mbola mitoetra hatrany ny filazana loza mitatao (mena) amin’ny tondradrano ho an’ny kaominina Ampahitrosy, Soalandy, Ankadivoribe, Ampanefy, Soavina ary Anosizato Andre­fana, hoy ny Apipa, omaly maraina. Raha ho an’ny renirano Sisaony ao Ampitatafika, nahitana fiakarana 0,25 m tao anatin’ny 24 ora.

Vonjy

Partager sur: