Antoka hampivoarana ny fandraharahana ny fitrandrahana ny tsena any ivelany. Antony mahatonga ny Mission économique commerciale au Canada (Mecc) andiany fahafito, karakarain’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Kanada-Madagasikara (Cancham), mitondra ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena kanadianina. Araka izany, soa fanararaotra ho an’ny mpamokatra ny Mecc. Mbola malalaka sy azo trandrahina tsara ny tsena hanitarana ny fandraharahana sy ny orinasa malagasy. Mahasarika ny kanadianina ny sehatry ny “agribusiness” toy ny cacao, lavanila, hanitra isan-karazany ary ny voankazo sy legioma avy eto Madagasikara. Satria, manana kalitao miavaka sy mamaly ny fepetra takin’ireo teratany vahiny. Tao anatin’ny fito taona nanaovana ny Mecc, tafakatra hatrany amin’ny 15 tapitrisa dolara ny vola azon’ireo mpandraharaha nandray anjara sy nahazo tohana avy amin’ny hetsika. Manomboka mivelatra ihany koa ny sehatry ny fizahantany, ny niomerika ary ny fanabeazana. Ankehitriny, “miisa telo ny orinasa malagasy tafapetraka sy manohy ny fandraharahany any Kanada”, hoy ny tomponandraikitry ny Cancham, Razafimamonjy Tahina, omaly.
Nitombo avo 2 heny
Ny taona 2023, nitombo avo roa heny ny vokatra malagasy niditra teo amin’ny tsena kanadianina, nitentina 40 tapitrisa Ar, raha toa ka manodidina ny 10 tapitrisa Ar, ny taona 2022.
Henintsoa




