Olona telo naiditra am-ponja : Renim-pianakaviana notapahin-doha

Naiditra am-ponja afakomaly any Betroka ny telo lahy nikasa hangalatra basy tao amin’ny tokantrano iray. Notapahin’izy ireo ny lohan’ny vehivavy tompon-trano. Voalaza ho sakaizan’ity lasibatra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.

Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Be­troka, ireo telo lahy 19, 28 ary 29 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fa­monoana sy fanapahana ny lohan’ny renim-pianakaviana (36 taona) tany Tsaraitso, Be­troka, ny alin’ny 27 hifoha 28 janoary lasa teo izy ireo. Fika­sana hangalatra basy ny antony nahatonga azy ireo nanao izao vono olona feno habibiana izao, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny CSP Be­tro­ka, OPP Octave Randria­manantena. Sakaizan’ilay ve­hivavy namoy ny ainy ny iray tamin’ireo na­havanon-doza, raha ny fanazavana. Nanapa­ka ny lohan’ilay renim-pianakaviana ny iray tamin’izy ireo, raha nitazona ny tanany sy ny tongony kosa ny roa hafa. Na­lain’izy ireo, nandritra izany, ny findain’io ramatoa lasibatra io. Taorian’ ny asa ratsiny, niverina tany an-tranon’ilay niharam-boina ireo olon-dratsy haka ny basy, saingy nihidy avy any anatiny ny varavarana ka tsy nahazo na inona na inona.
Tsiahivina fa hita faty tany amin’ny 100 metatra miala ny tanàna, amoron-dalana mankany an-tanimbary, ny vatana mangatsiakan’io vehivavy io, ny marain’ny 28 ja­noary. Efa voatsindrona antsy ary vozona kely sisa no nihazona ny lohany. Tany amin’ny 7 km mi­ala ny tanànan’i Be­troka ny toerana nitran­gan’izany. Nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany momba ny tranga ny fokonolona. Tonga teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny mpi­tsabo. Natolo­tra ny fiana­kaviana ny razana taorian’izay.
Sakaizan’ny maty ny olon-dratsy iray
Raha ny angom-baovao voarain’ny polisy nanao famotorana, noahiahin’ny zanany ho nahavanon-doza ny lehilahy iray sakaizan’ilay maty. Mbola nisy niantso tamin’ny finday ity vehivavy nisy namono ity ny 27 janoary, tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any. Tsy niverina intsony anefa izy taorian’izay, ary izao hita faty teny an-tanimbary izao. Natao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy taorian’ny fizahana ny razana. Hita nankany amin’ny kaominina Naninora ny dian’izy ireo. Nipe­traka tao amin’io tanàna io ilay sakaizan’ilay ramatoa. Nosam­borina avy hatrany ity farany ary nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny polisy. Nisy ihany koa ny fisavana finday natao ary ity farany no ni­antso ilay ramatoa tamin’ny alina talohan’ny tranga. Nandri­t­­ra ny famotorana nataon’ny polisy azy, niaiky ny heloka vita­ny izy ary nanondro ny namany roa hafa, izay niray tsikombakomba tamin’ny asa ra­tsiny.

Mino

Partager sur: