Aretina haromotana: Tsy maintsy maty rehefa miseho ny soritraretina

Mila fahamailoana foana ny aretina haromotana. Ma­nao fanairana ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina mahafaty raha tsy voasoroka haingana ny haromotana.
Mifindra amin’ny olona amin’ny alalan’ny kaikitra na rangotra na lelaka amin’ny faritra maratra. Ao amin’ny roran’ny biby mafana ra no misy ilay virus.
Misoko miadana ny are­tina, arakaraka ny toerana sy ny halalin’ny fery. Raha vao miseho ny soritraretina dia 100% ny taham-pahafatesana, tsy misy fanafana.
Manodidina ny herinandro vitsivitsy ka hatramin’ny 3 volana (indraindray mety herin­taona) ny fiotrehan’ny aretina. Soritraretina voalohany ny aretin’an-doha, mafana hoditra, sahirana mitelina sakafo, mandoa, tsy mahazo aina, vizana be. Mety hangidihidy na mihena ny fahatsapana eo amin’ny fery.
Misy karazany roa ny fisehony dia ny haromotana ma­hery vaika (70%). Lasa matahotra, mirediredy, mihetsike­tsika be ilay marary. Matahotra rano na rivotra ary tsy maha­tsiaro tena avy eo. Tonga amin’ ny fahafatesana ao anatin’ny 7 na 10 andro. Misy koa ny haromotana mampalemy ny rantsam-batana (30%).
Sasao avy hatrany amin’ ny rano sy savony mandritra ny 15 minitra ny fery raha voarangotra na voakaikitry ny alika na saka. Manatona to­bim-pahasalamana na CTAR haingana. Mila manao vaki­siny intelo izay maimaim­poana.

Tatiana A

Partager sur: