Bemasoandro Itaosy : Tongotra sy tanana zazakely hita niaraka tamin’ny labozia

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, omaly maraina, nahitana tanan-jazakely nitondra labozia teo Bemasoandro Itaosy. Mbola nahitana tongotra, notaritarihin’ny amboa tsy lavitra teo.

Tapaka tanana sy tongotra hitan’ny fokonolona teny Ampasika Atsimo, fokontany Anosimasina, kaominina ambanivohitra Bema­soandro, distrikan’Anta­nana­rivo Atsimondrano, omaly ma­raina tamin’ny 6 ora sy sasany. Renim-pianakaviana mo­nina eo an-toerana hivoaka ny trano vao maraina no nahita voalohany ny tanan-jaza iray sy labozia. Nampandre avy hatrany tamin’ny mponina manodidina io ramatoa io. Niantso ny mpitandro filaminana izy ireo. Nijery ny zava-nisy ny zandarimaria eo anivon’ny zana-tobim-paritra Bema­soan­­dro Itaosy. Nifanindry an-dalana tamin’ny fanatonto­sana ny fanadihadiana izy ireo kanjo nilaza tampoka ny olon-tsotra hafa fa misy alika mitondra tongotr’olona efa tapaka. Nanamarina ireo trangan-javatra miisa roa samihafa ireo ny mpitandro filaminana. Nifanenjehina ilay alika. Azo teny aminy ny tongotra zazakely manodidina ny 6 taona eo ho eo, araka ny tatitry ny zandary nanao ny fanadihadiana.

Natao tamin’ny toerana iray

Nalaina io ilan-tongotra sy tanana efa tapaka io ary na­tambatra tamin’ny toerana iray. Nanadihady ny mponina manodidina ny zandary raha toa ka misy fianakaviana very zaza teny amin’ny kaominina Bemasoandro. Nanda avokoa anefa ny ankamaroan’ireo sendra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra mazava, araka izany, ny nipoiran’ireo tanana sy ton­gotra tapaka ireo. Na izany aza, niroso tamin’ny fanatanterahana ny asany ny mpi­tsabo eo anivon’ny CSBII ao Bema­soan­dro ary natolotra ny fokontany Anosimasina ireo rantsam-batana ireo taorian’ ny fitiliana. Mampanontany tena ireo mpanara-baovao eny an-toerana ny antony nahatonga ilay labozia teo akaikin’ny iray tamin’ireo ran­tsam-batana ireo tamin’ny fotoana nahitana azy. Andra­sana ny tohin’ny fanadiha­diana.

Tsiferana R.

Partager sur: