Nanao tombana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony mahakasika ny hetsika « Fosika » nandritra ny volana janoary. Fantatra fa nahatratra 37 ireo fitarainana voaray ka diplaoma sandoka ny 5 tamin’ireo, dimy hafa kolikoly ary tolotra fiofanana tsy ara-dalàna ny 2. Fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna ny 5 ary herisetra ny 5 hafa. 15 kosa fanararaotana sy fakana vola tsy ara-dalàna…
Raha misy trangan’aretina ahina ho Mpox,
toy ny fery amin’ny vatana na fivontosana dia afaka miantso maimaimpoana ny laharana 910. Ny fiandohan’ ny volana febroary teo, tranga iray no voamarina. Mitotaly 229 ny tranga voamarina hatramin’izay ary 207 natao fitiliana. Tranga ahina kosa ny 181 ary tsy maintsy mihiboka izy ireo mba tsy hamindra amin’ny manodidina.
Efa maromaro ireo ray aman-dreny resy lahatra amin’ny fampiasan’ny zanany ny fomba fiarovana amin’ny vohoka tsy irina. Izy ireo mihitsy no miaraka amin’ny zanany vavy manatona tobim-pahasalamana maka torohevitra amin’ny fiarovana sy fandrindram-piterahana mety amin’ny zanany.




