Iray amin’ireo vina ifotoran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanajana ny etika sy ny fitsipi-pitondrantena maha polisy. Eo koa ny fampivelarana ny fahaiza-manao sy ny famolavolana ho matihanina eo amin’ny fanatanterahana ny asa.
Telo volana no nitondran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police Erick Michel, ny departemantany. Nambarany, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, tamin’ity herinandro ity, fa misy ny lasitra miainga amin’ny Fandaharanasa ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanavaoazana ifotony (PMO/ PGE-R) avy amin’ny Politique Générale de l’Etat pour la réfondation (PGE-R). Mifandraika amin’izany ireo laharam-pahamehana sy vina enina ho an’ny minisitera iadidiany.
Anisan’ny vina ny ady amin’ny kolikoly izay nahazoana fanakianana matetika. Zavatra voalohany natao ny fananganana politika anatiny hiadiana amin’ny kolikoly. Manana fitaleavana manokana momba ny fisorohana sy ny fanasaziana ny departement inspection générale de police. Miara-miasa amin’ny fitaleavana rehetra any amin’ny faritra izay efa ahitana solontena avokoa. Mialoha ny fanasaziana, misy hatrany ny fampahafantarana. Rehefa tafahoatra kosa ny fahadisoana, miroso amin’ny fampiharana ny sazy ny tomponandraikitra. Ankoatra izay, nisy fiovana ny fomba fiasa mahakasika ny fanomezana loharanom-baovao amin’ny sampandraharaha rehetra, tsy mampita fotsiny fa tokony hanana andraikitra mifandraika amin’izay ny tomponandraikitra voakasika.
Nohamafisiny fa natao tao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny adina an-tsoratra ho fandraisana polisy vaovao, ny taona 2025 hanatrarantsika ny fenitra iraisam-pirenena izay polisy telo ho an’ny olona 1 000. Eto amintsika nefa polisy 1 ho an’ny olona 3 000.
Nanome toky izy fa hanatontosa ny tamberin’andraikitra tsy maintsy hatao amin’ny asa rehetra, saingy mila fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka koa izany.
Vonjy




