Famatsiana vary : Ahina ny fahatapahan’ny fanampiana

Mety hampiato ny famatsiam-bary ho an’i Madagasikara ny FAO sy Pam noho ny tsy fahampian’ny famokarana eto amintsika. Tokony hifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampamokarana izany.

Mety ho tapaka ny fama­tsiana ara-tsakafo ataon’ny FAO sy ny Pam ho an’i Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), Andrianarivelo Aivo. Tsy manam-bary i Madaga­si­kara ka mirona bebe kokoa amin’ny fanafarana sy ny fa­matsiam-bary ny mpandraharaha. Mila mifototra amin’ny fa­mokarana eto an-toerana ny firenena mba hiantohana ny vahaolana lavitr’ezaka sy hampihenana ny fanafarana atao, izay vahaolana fohy ezaka fotsiny ihany. Paikady eritreretin’ny BFM ny hanangona orinasa vitsivitsy avy amin’ny sehatra tsy miankina hananganana bankim-bokatra. « Tokony handray andraikitra ny sehatra tsy miankina, anjaran’ny Banky foibe kosa ny mitarika ny fampivondronana sy manolotra soso-kevitra amin’ny fanjakana hanatsarana ny famokarana eto an-toerana », hoy ny fanazavana. Tanjona ny hifanampian’ny sehatra rehetra, hanatsarana ny vokatra eto amintsika.

Miankindoha

Ny taona 2025 no tena nahitam-piakarana ny fanafaram-bary nataon’i Madagasi­kara. Tafakatra 348 500 taonina (t) izany, mitentina 795,8 miliara Ar, nandritra ny dimy volana voalohan’ny taona 2025. Niakatra ny tarehimarika raha oharina ny tamin’ny taona 2024, izay nanodidina ny 121 900 t amin’ny vidiny 307 miliara Ar. Marihina fa ma­herin’ny 924,5 miliara Ar raha mitaha ny tamin’ny roa taona lasa ny sandan’ny fanafaran’i Madagasikara vary. Ankilany, nilaza ny FAO fa mahatratra 770 000 t ny filana vary ho an’i Madagasikara ny taona 2025-2026. Ankoatra izay, nihena ny vidim-bary eto an-toerana nanomboka ny volana janoary teo. Vidina 3 100Ar ny kilaon’ny Maka­lioka, 2 700Ar ny kilaon’ny Riz de luxe sy ny Tsipala. 3 300Ar izany ho an’ny Mangamila raha 3 400Ar kosa ny vary Manalalondo.

Henintsoa

Partager sur: