Sirama : Mahatratra 17 miliara Ar ny vokatra ara-bola

Mandroso tsara ny orinasam-panjakana Sirama SA. Mampanofa ny fitantanana (Location gérance) amin’ny orinasa sinoa ny Sirama, ka voakasik’izany ny ozinina any Ambilobe sy Namakia. No­ha­zavain’ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Ramananarivo Mamy Emile, omaly, fa « ny fanarenana ny fitantanana no sahanin’ny Sirama, fa miandraikitra ny fampandehanana ny ozinina no ataon’ny orinasa sinoa ». Izany hoe, mandoa vola hofam-pitantanana amin’ ny Sirama ireo orinasa sinoa ireo.
Eo amin’ny fitantanana ara-bola ny orinasa, mandeha araka ny tokony ho izy izany. Mahatratra 3 miliara Ar ny tombombarotra tamin’ny taona 2022, raha 18 miliara Ar ny fatiantoka ny taona 2018. Mahatratra 17 miliara Ar ny vokatra ara-bola (Résultats Net), ary 100 miliara Ar ny vola mihodina (Trésorerie).
Tsy ampy 150 000 t/taona ny filana eto Madagasikara

Mamokatra siramamy 100 000 taonina isan-taona ny eto Madagasikara. Mamoka­tra 70 000 t/taona ny ozinina any Ambilobe, anisan’ny tsara indrindra hatramin’izay, ny taona 2025, ary 30 000 t ny any Namakia. Manodidina ny 250 000 t/taona anefa ny filana eto an-toerana, izany hoe, tsy ampy 150 000 t/taona, izay mila hafarana avy any ivelany. Vahaolana aroson’ny DG ny Sirama, ny hampitomboana ny ozinina, ny velaran-tany hambolena fary, ny fampiofanana sy fampitomboana ny mpiasa, ny angovo, sns.

Njaka A.

Partager sur: