Nanaitra tokoa ny nahita ireto karazana fanambarana etsy sy eroa mahakasika ny tontolo politika. Misy mahita izao fiarahana sy ho fifamatoran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry, izao koa! Raha izany ny zava-misy dia hanahirana tokoa izy ity. Goavana be ny resaka sy ny sera, ka tsy mahagaga raha mipoitra tsikelikely ny tsy tokony hiseho.
Eto Madagasikara rahateo iaraha-mahita fa tsy misy afa-tsy ireo no mpanao politika. Tsy manana herijika hisongadina izany ny mpandimby. Ny antoko efa misy sy nitazona fahefana ihany no manjaka. Tsy misy izany fifandimbiasam-pahefana ho an’ny hafa izany. Raha misy ny mipoitra sy ny mitady hanao zavatra dia voasakana avy hatrany. Tratry ny angaredona.
Hita taratra fa mbola misy foana ny sokajikajy amin’ny lafiny rehetra. Tsy mbola iray izany ilay Malagasy fa milentika any anatin’ny tsirairay fotsiny ny kiefitrefitra. Mipoitra hoazy izany rehefa misy ny tombontsoa ho arovan’ny andaniny na ny ankilany. Mody asitrika any ambany ondana raha tsy ilaina. Boribory vetaveta eny ilay fisaraham-bazana ankolaky ny “Gasy”.
Vanim-potoana tokony hanafoanana izany anefa izao. Milaza ny hanavao ny rehetra, midika izany fa ny fototra no tokony hokitihina voalohany. Izay filazana fa zanaky ny faritra izao, na taranaky Ranona avy ery. Tsy mahagaga raha mbola ambany vahohon’ireo vahiny ny firenena. Na toekarena na sosialy dia kofona vao tsy misy hery avy any ivelany.
Manjaka tanteraka ny zarazarao hanjakana, hatreto. Kobaka am-bava ny firaisankina nasisika ao amin’ny minisiteran’ny Mponina. Teny filamatra, tsy misy asa mivaingana na azo tsapain-tanana. Takotakonana amin’ny vonjitavanadro fotsiny.
r.r




