Fanontana boky : Mankalaza ny faha-200 taonany ny trano pirinty FJKM

Mankalaza ny faha-200 taona niasany ny trano printy FJKM Imarivolanitra amin’izao fotoana. Maro ny hetsika ataon’izy ireo mandritra izany. Hosokafana amin’ny fotoam-pivavahana eny amin’ny FJKM Faravohitra izany, ny 8 febroary izao.

Hatomboka amin’ny fa­nompoam-pivavahana fiombonana eny amin’ ny FJKM Tranovato Fara­vo­hitra ny fotoam-pankalazana, ny alahady 08 febroary 2026 ho avy izao. « Manom­boka amin’ ny 02 ora sy 30 minitra ny fotoana, izay hanasana ireo manao ny asa printy rehetra », hoy ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny hetsika tetsy Imarivolanitra, afako­maly. Ny alahady 21 jona 2026 amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, kosa ny ivon’ ny jobilim-pankalazana. Mi­tohy any amin’ny FJKM Sa­lema Vaovao Taolagnaro izany, ny alahady 17 aogositra, ho fanokafana. Ny sabotsy 21 novambra 2026 amin’ny 9 ora sy sasany, ao amin’ny Paroisse iraisam-pirenena Andohalo ny famaranana ny fankalazana. « Sady fotoana hanaovana ny fitokanana ny tsangambato io fotoam-pamaranana io», hoy Rakotond­rasoa Harijaona, mpitandrina sady filoha mpanampy ny kaomitin’ny fankalazana.
Tsy mionona amin’ny bokim-pinoana

Nahafahana nanohana sy nanapariaka ny fitoriana ny filazantsara teto Madaga­si­kara ny trano pirinty. « Amin’­ izao fotoana, tsy mijanona amin’ny fanontana ny boky mahakasika ny finoana fotsiny izy ireo fa azo atao eny avokoa rehefa resaka momba ny boky », hoy Randrianarisoa Herimanitra, talen’ny trano pirinty. Nambaran’izy ireo fa ezaka ho fanatsarana ny fitaovana ity taon-jobily ity mba hampiroboroboana ny asa tanterahina. Manodidina ny 4 tapitrisa ny boky navoakan’ny tranopirinty. Marihina fa ani­san’ny trano pirinty voalohany teto Madagasikara izy ity.

Mino

Partager sur: