Halatra omby : Dahalo dimy lavon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ma­hery vaika ny dahalo raindahiny miisa dimy, tao amin’ny tanànan’i Tsararavaka, fokontany Ambatolahy, kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto, ny alin’ny alarobia 4 febroary teo, tamin’ ny 10 ora alina. Nalain’ireo olon-dratsy nitam-basy ny omby mi­isa fito tao amin’ny vala iray anatin’io tanàna io. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny tompon’omby lasibatra. Nivoaka avokoa ny fokonolona ary nanampy azy ireo nanao ny fanarahan-dia ny zandary miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ankazomiriotra. Raikitra ny fanenjehana tao anatin’ny haizina. Nampandrenesina rahateo ny fokonolona amin’ny tanàna manodidina hanakana ireo olon-dratsy. Tratra ireto farany ka nirefodrefotra ny basy. Lavo ny dimy lahy tamin’ireo mpanao ratsy.

Tsiferana R.

Partager sur: