Internet : Mihena hatramin’ny 40 % mahery ny sarany

Nanomboka ny volana novambra 2025 ka hatramin’ny febroary 2026, nanavao ny tolotra ataony ireo orinasam-pifandraisan-davitra (opérateurs) lehibe eto Madagasikara, dia ny Yas, Orange ary Airtel. Nitombo ny habetsahan’ny “data” azo ampiasaina. Nihena kosa ny vidiny.
Araka ny tarehimarika navoakan’ny MNDPT izay nanao fampitahana, maherin’ny 40 %, amin’ny ankapobeny, ny fihenan’ny vidin’ny internet. Araka izany, tafidina hatrany amin’ny 2 880 Ar ny saran’ny “connexion 1 Go” raha toa ka manodi­dina ny 4 900 Ar izany ny volana novambra 2025. Izany hoe, nahitana fihenana mihoatra ny 40 %. Voakasik’izany ny tolotra andavanandro, isan-kerinandro ary ny isam-bolana. Miha­maro koa ny bonus sy ny tolotra amin’ny alina.
Amin’ny sarany 1 000 Ar, maro ny tolotra omen’ny opérateurs hatramin’ny 1 Go amin’ny alina. Ny tolotra isan-kerinandro dia mihoatra ny 1 Go matetika, ary mahatratra 2,4 Go ny tolotra sasany amin’ny isam-bolana.
Vinavinaina hitombo 77 % hatramin’ny 90 % ny fampia­sana ny internet anaty fotoana fohy. Mahafaly ny mpanjifa ny fanavaozana ny tolotra. « Taloha, lany vetivety ny fahana ampiasaina. Ankehitriny, maharitra kokoa ny fifandraisana », hoy ny mpampiasa iray. Hita koa fa misy ny fihenam-bidy arakaraka ny faharetan’ny tolotra. Marihina fa anisan’ny nahitana fidinana betsaka ireo tolotra andavanandro.

Henintsoa

Partager sur: