Misongadina eo amin’ny famoronana tetikasa ny Malagasy. Nasehon’ny ekipa Startup GazNika ny fahaizany tamin’ ny “Orange Summer Challenge”.
Namiratra indray i Madagasikara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena, « Grand prix international Orange Summer Challenge (OSC) 2025 ». Nifantoka tamin’ny lohahevitra « Startup for Good », miompana amin’ny famoronana tetikasa mitondra soa. Nahazo ny laharana faharoa tamin’izany ny Startup GazNika. Hetsika natao tany Casablanca, Maroc ary narahana mivantana tao amin’ny Orange Digital Center (ODC) Soarano.
“Rehareha ho anay ny nitondrana an’i GazNika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mandrisika anay handroso hatrany sy hitondra zava-baovao ho an’ny Malagasy ny fahazoana izao loka izao. Isaorana manokana ny Orange Digital Center tamin’ ny fanohanana nataony”, hoy ny mpamorona ny tetikasa, Zoniaina Natacha. Araka izany, nahazo fanohanana manokana sy famatsiam-bola mitentina 16 000 € ny tetikasa ka ny 11 000 € natokana ho an’ ny fampiroboroboana ny tetikasa raha ho an’ireo tanora manan-talenta kosa ny 5 000 €.
Afrika
Hetsika karakarain’ny ODC amina firenena 14 aty Afrika ny “Orange Summer Challenge”, izay hanandratana ny fandraharahana maharitra sy ny tetikasan’ny tanora. Nanohana ny andiany 2025 ny Amazon Web Services, ny Meta, ny Pnud, ny Dar Blockchain ary ny The Hashgraph Association. Roa taona nisesy izao, nisandratra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatrany i Madagasikara tamin’ny fifaninanana. Ny taona 2024, tamin’ny alalan’ny Plastikoo, ary nanamafy izany indray izao ny GazNika. “Rehareha lehibe ho an’i Madagasikara izao fahombiazana izao. Hita soritra maneran-tany ny talentan’ny tanora malagasy”, hoy ny talen’ny RSE, ODC sy Mécénat avy ao amin’ny Orange Madagascar, Andrianalison Lalaina.
Henintsoa




