Soamahamanina: Telo lahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa, ireo telo lahy nahatrarana taribin-jiro tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo. Lasan’ny mpanao ratsy avokoa ny an­kamaroan’ny tariby hampiasain’ny orinasa mpamatsy herinaratra ao anatin’io kaominina io. Nahatsikaritra fisiana toe-javatra hafahafa ny mponina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Fiara fitateram-bahoaka tratran’izy ireo nitondra entana mampiahiahy. Nenjehina ny fiara saingy tsy tratra. Nanaovan’ny zandary sakana teny an-dalana. Noje­rena ireo entana ka voama­rina fa tariby an’ilay orinasa lasibatra avokoa. Nasitrik’ireo mpanao ratsy tao anatin’ny gony avokoa ireo akora hampiasaina amin’ny fampitana herinaratra ireo. Nilanja 170 kg ny tariby sarona teny amin’ ireo telo lahy. Nogiazana ny entana raha toa ka nentina natao famotorana ary nato­lotra ny fampanoavana ireo mpandroba. Nokasain’izy ireo hamidy teto an-dRenivohitra ireo entana halatra, araka ny fanampim-panazavana. Nai­ditra am-ponja miandry ny fi­tsarana azy ireto farany.

Tsiferana R.

Partager sur: