TSELATRA

Telo lahy nodoran’ny fokonolona velona tao Soanindrariny Antsirabe, afakomaly maraina. Voalaza fa namono nahafaty vehivavy bevohoka izy ireo. Nota­tahina ny kibony hatrany amin’ny fivaviany namoahana ny zaza tao an-kibony, nalain’izy ireo koa ny masony.
Nolazaina fa nototoin’ny omby anefa ny nahafaty ilay vehivavy. Notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary tao Tsarahonenana, ny 4 febroary teo, ireo telo lahy voalaza ho nahavanon-doza. Tsy nanaiky ny fokonolona fa nanao fitsaram-bahoaka ka nandoro velona ireo voarohirohy.
Naiditra vonjimaika am-ponja ny 5 febroary 2026 lasa teo, ireo olona miisa efatra, voarohirohy tamin’ny fanodinkodinana fananam-panjakana tany Farafangana. Rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Saron’ny Polisim-pirenena tao amin’ ny faritry ny toby fiantsonan’ny fiara, ny lay misy odimoka miisa 200, ny 31 janoary 2026 lasa teo. saika ho alefa aty Antananarivo. Nanomboka teo ny fikarohana ary olona efatra voarohirohy.

Partager sur: