VAOVAO TAMBATRA

Nofoanana ny didim-panjakana momba ny Fifanarahana ny fizarana ny vokatra na « Contrat de partage de production » (CPP), miompana amin’ny fi­tsirihana sy fitrandrahana akoranafo any amin’ny faritra Belo Profond Nord. Nofoanana koa ny titra tany mahakasika ny akoranafo nomena ny Omnis, miisa 17. Miisa 20 ny fifanarahana CPP naato, teo amin’ny Omnis sy ireo kaompanian-tsolika iraisam-pirenena.
Tafapetraka ny tetezam-by vonjimaika, eo amin’ny PK236+700 amin’ny lalam-pirenena RN7. Niho­tsaka ny tetezana teo, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia, farany teo. Efa miverina amin’ny laoniny koa ny fivezivezena any Ambiky Ambalafaminty, PK205+200, any Port-Bergé, lalam-pirenena RN6, satria tafapetraka ny tetezam-by vonjimaika. Name­trahana tetezam-by vonjimaika ihany koa any Mana­patrana, RNT14.
Miisa 21 ny Faritra arovana vaovao (NAP) napetraky ny governemantan’ny Fanavaozana. Mito­taly 1,82 tapitrisa ha ny velaran’izy ireo. Misy ihany koa ny fanomezam-pitantanana faritra arovana miisa 10 (Bemarivo, Angavo, Atsimo Andrefana Ifotaky, Behara Tranomaro, Ranobe, Maningoza, Ambato­tsiron­go­rongo, Vohidefo, Bora, Kasijy).

Partager sur: