Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Amin’ity hoe fanovana na fanavaozana… Na efa misy fihatsarany aza, ohatra, ny famatsian-jiro, tsy mbola tena mahafa-po. Misy faritra sasany tena mbola mampitaraina ny mponina ao an-toerana. Ny rano indray, tsy misy fiovana firy : tapatapaka, maloto, misy fofona… Tsy hita be ihany koa, ohatra, ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fampidinana ny vidim-piainana na fampiakarana ahay ny fahafaha-mividy, ny famoronana asa…
Tsy misy mpiresaka firy? Na tsy misy mihevitra, indrindra ny mpanao politika sasany. Velon-taraina, ohatra, ny tantsaha noho ny fidinan’ny vary akotry eny ifotony. Ny mpijirika sy mpanangom-bokatra no be takolaka aloha. Misy koa, ohatra, ny raharaha adin-tany tena mila hihatra amin’ny aina noho ny fanjakazakana. Ao ny fitarainan’ny vahoaka ifotony amin’ny kaominina sasany noho ny afitsoky ny olom-boafidy manjakazaka, manampatra fahefana… Sanatria, tany lavitra fitondrana?
Tsy firy ny mampiakatra fitarainana na fitakiana amin’ izany? Indrindra fanaovana tatitra isan-tsehatra sy isan’ ambaratonga… Politika ihany no zava-dehibe sy mahamaika ny sasany. Amin’izay hahazoana seza na akalana aza amin’ny hoe fiaraha-mitantana, amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana hiatrehana fifidianana, amin’ny fanakorontanana na fandemena dieny mialoha izay ahina ho mpifaninana amin’ny tena amin’ny fifidianana… Ary fiainam-bahoaka?
Tsy lavina, ny fahamarinan-toerana politika no ahazoana manao fampandrosoana. Na amin’ny toekarena io, na amin’ny sosialy. Saingy tsy ny toekarena sy sosialy teo amin’ny fiainam-bahoaka koa ve no tsy nampilamina ny politika teo? Nahatongavana amin’izao hoe fanovana izao… Fieritreritra?
R. Nd.




