Fifanakalozana tamin’ny sehatra tsy miankina : Dinika ho an’ny fampivelarana ny fandraharahana

Hojerena ireo paikady ahafahan’ny mpandraharaha mivelatra sy hahomby. Ni­voitra izany nandritra ny fihaonan’ny sehatra tsy miankina tamin’ny minisiteran’ny Fam­pirobo­roboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), ny zoma teo, tetsy Anosy. “Mila havaozina ny rafitry ny hetra, takina ny mangarahara, hampirisihana ny fampiasam-bola”, hoy ny sehatra tsy mi­ankina. To­kony hatsaraina ny fifaninanana eo amin’ny orinasa hiantohana ny kalitaon’ny vokatra sy hampaharitra ny fandraharahana, raha ny fanazavana hatrany. Nasongadin’ izy ireo fa mila tohanana ireo orinasa marefo, tokony hiditra eo amin’ny ara-dalàna ny mpisehatra, ary haverina ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Tsao-kevitra izay entina mandritra ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP) ny 16 ka hatramin’ny 20 febroary. Araka izany, mijoro ho tetezana mampifandray ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankiana ny minisitera. Toekarena
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fandraharahana noho izy mampiasa olona maro sy mampidi-bola amin’ny isan-tokantrano. Na izany, mbola misehatra amin’ny tsy ara-dalana avokoa ny ankamaroan’ny orinasa eto amintsika izay sakana amin’ny fampivelarana ny tetikasa. Ankilany, betsaka amin’ ireo tompona tetikasa no tsy ma­nana ny “esprit entrepreneurial” izay manampy amin’ ny torolalana hanatsarana ny sehatrasa ataony.

Henintsoa

Partager sur: