Nitombo ho 14 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia tamin’ny faritra sivy. 38 ny distrika voakasika. 85 642 ny traboina (tokantrano 20 898) ; 26 959 ny olona nafindra toerana (6 450 tokantrano) ka ny 16 605 raisina an-tanana eny amin’ny toeram-pandraisana 48.
Ho fampiakarana ny lentan’ny fampianarana eny anivon’ ny lycée teknika, nanatanteraka fampiofanana ho an’ireo mpianatry ny lisea teknika Tsiroanomandidy avy amin’ny sampam-piofanana « Bâtiment et Travaux Publics », taona faharoa, ny fitaleavam-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Bongolava, ny herinandro lasa teo, teny androtra Tsiroanomandidy. Fiaraha-miasa tamin’ny Orinasa Société Spécialisés aux Travaux Industriels Tsiroanomandidy no nahafahana nanatanteraka izany.
Nampatsiahy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa efa nisokatra ny 12 janoary lasa teo ary hikatona ny 27 marsa ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2026. Tsy misy ny dérogation aorian’ ny fe-potoana farany fandraisana ny antontan-taratasy voalaza ka tokony ho mailo ny rehetra.




