Minae: Hamafisina ny fefilohan’i Sisaony

Mitohy ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ireo rantsa-mangaika. Voakasik’izany ny fanamafisana sy fanarenana ny fefilohan’i Sisaony, fokontany Tolon­goina, kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Nampi­tomboina ho 100 ny olona, mponina eny an-toerana, manatanteraka ny asa fanarenana, sandaina 7 000 Ar isan’olona isan’andro. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 20 andro ny asa, raha tsara ny toetr’andro,
Miara-miombon’antoka miahy sy manatanteraka ny asa ny primatiora, ny minisitera Minae, ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Fid, ny Apipa. Eo koa, ilay orinasa nanangana ny tohodranon’i Tolongoina, izay mbola manana andraikitra tanteraka, satria misy ny fiantohana tsy maintsy ataony aorian’ny fotoana nahavitan’ny fotodrafitrasan, araka ny fifanarahana voarakitry ny bokin’andraikitra.
Anarivony hekitara ny tanimbary ho voaaro sy voasoroka amin’ny loza amin’ny fanatanterahana izao asa izao. Notsorin’ireo tantsaha, fa nisinda ny fitaintainana, indrindra ho an’ny voka-bary amin’ity taom-pambolena 2026 ity.

Njaka A.

Partager sur: