May kilan’ny afo ny rihana fahafito sy fahavalo eo anivon’ny biraon’ny minisiteran’ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, etsy Anosy, ny sabotsy, tokony tamin’ny 12 ora atoandro teo. Niainga tao amin’ny rihana fahafito ny afo. Niitatra haingana izany noho ny fitsokan’ny rivotra ka nahazo ireo efitra sy rihana hafa, raha ny fanazavana voaray. Vokany, may kilan’ny afo tanteraka nandritra izany, ny efitra valo tao amin’ ny rihana fahafito. Simba sy potika tanteraka ihany koa ny entana sy ny anton-taratasy tao anatiny.
Tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina, taorian’ny antso. Niezaka nifehy ny afo sy nanavotra ny polisy iray izay taraiky tany amin’ny rihana fahavalo izy ireo. Polisy niasa tany ambany rihana izy io, saingy niakatra namonjy tany ambony, vao nahita ny afo nirehitra.
Tonga teny an-toerana ihany koa ny minisitry ny Atitany. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra nandritra ny ny loza. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any. Fifampikasohan’ny herinaratra (court-circuit) ny antony nahatonga ny firehetana, raha ny fanazavana voaray.
Mino




