Telo lahy nodorana velona: Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy

Nosamborin’ny zandary omaly ilay vehivavy nandoro ireo telolahy tany Tsarahone­nana Sahivotry, kaominin’i Soanindrariny, distrikan’An­tsirabe II, ny alarobia lasa teo. Namoy ny ainy daholo izy ireo, raha ny tatitra voaray tany an-toerana. Ahina ho tompon’antoka ta­min’ny famonoana vehivavy iray bevo­hoka, hita faty tao an-tanànan’i Tsarahonenana, fokontany Sahanivotry, Soa­nin­drariny izy ireo. Nolazaina fa maty nototoin’ny omby io olona hita faty io. Nodidina ny kibony, na­nesorana ny mason’ ilay zaza tao an-kibo, raha ny valin’ny fizahana nataon’ny mpi­tsabo. Tsiahivina, nipari­taka be tamin’ny tambajotran-tserasera ny zoma alina teo, ny horonantsary mikasika iny fitsaram-bahoaka nahazo ireo telo lahy ireo. Nofatoran’ny olona tamin’ny tady, norara­hana lasantsy ary avy eo no­doran’ny fokonolona velona izy ireo, nandritra ny horonan­tsary niparitaka.
Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy telo lahy ireo, tamin’ny tapa-bolana, tany Tanambao, kaominina mifanila amin’i Tsarahone­nana, distrikan’ Antsirabe II, fa tafatsoaka. Nosamborin’ny zandary izy ireo, ny talata lasa teo, ka notazomina natao an­drimaso. Nitaky ny hamoa­hana azy ireo anefa ny fokonolona tany an-toerana ary nandrahona ny handoro ny biraon’ny zandary. Voatery namotsotra ireo voarohirohy ny zandary any an-toerana ka izao niafara tamin’ny fando­rana velona izao.

Manameloka ny fitsaram-bahoaka tahaka izao, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nohamafisiny fa fandikan-dalàna ny fanapa­riahana horontsary maneho iza­ny. Izay faizin’ny lalàna mifehy ny heloka ana habaka sy ny lalàna mifehy ny sera­sera amin’ny haino vaky jery.

Mino

Partager sur: