Fitrandrahana solika miisa efatra ao amin’ny Madagascar Oil no nofohanana nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy teo. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanaraha-pizarana famokarana miisa 21 sy fahazoan-dalana miisa 21. Marihina fa isan’ireo mpisehatra tranainy voakasiky ny fanafoanana ny any Bemolanga. Ity farany izay saika ho trandrahana ho an’ny famokarana solika eto Madagasikara.
Mitotaly 71 000 taonina (t) ny katsaka nafaran’i Madagasikara ny taona 2023 sy 2024. Ambany ny famokarana eto amintsika izay 200 000 t monja ka tsy ampy hamatsiana ireo indostria mpividy izany. Tokony hamafisina ny rafitra, mila tohanana ihany koa ny indostria mpividy katsaka toy ireo mpamokatra provandy sy labiera. Tokony hamoraina ny fampidramam-bola ary fanofanana ho matihanina ireo mpisehatra samihafa.
Niampy 64 ireo vokatra nahazo ny “label” Malagasy Ny Antsika izay avy amina orinasa miisa efatra toy ny S2PC, Ambatovy, Makiplast ary Star. Maherin’ny 855 ankehitriny ireo vokatra misy ny “label” izay manaraka ireo kalitao takina sy manaraka ny fenitry ny famokarana ary manandratra avo ny indostria eto an-toerana. Entanina, araka izany, ny rehetra hanjifa ny vokatry ny orinasa malagasy ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena.




