Fitantanan-draharaha : Tsy afa-misaraka ny fambolena sy ny fiompiana

Nitaky ny hananana fitantanana jeneraly mahaleo tena ny mpiasan’ny sampandraharan’ny Fiompiana. Nitondra fanazavana, omaly, ny ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nambaran’ireo solontena maromaro, nisolo tena ny minisitra, izay tsy eto an-toerana, fa tsy afaka tanterahina ny fanasarahana ireo sehatra ireo. Voalohany, manodidina ny 2 000 ny totalin’ny mpiasa, ka mifanahantsahana ny isan’ny ao amin’ny Fambolena (1 000) sy ny Fiom­piana (1 000). Teknisianina ny 60% amin’ireo, izany hoe, 600 isanisany. Koa, tsy ho ampy ireo raha halefa any amin’ny kaominina maherin’ny 1 500 na any amin’ny distrika (120). Tsy ho ampy koa raha hametrahana fitantanam-paritra isaky ny faritra 23. Toraka izany koa ny lafiny fotodrafitrasa, trano, fitaovana ampiasaina isaky ny birao (kojakoja birao sy informatika), fiara, sns.
Faharoa, nanomboka ny taona 2015 no natambatra ny fambolena sy ny fiompiana. Mahafehy ireo sehatra ireo daholo ny any amin’ny fampianarana sy ny fiofanana. Azo tsapain-tanana ny vokatra, mandeha ny fandaharanasa sy ny tetikasa. Manohana ny fambolena ny seha-pihariana fiompiana, ankehitriny, satria efa mihatery ny tany.

Njaka A.

Partager sur: