FSRP-CGIAR: Vahaolana ho an’ny tantsaha ny voka-pikarohana

Aparitaka eny amin’ny tantsaha ny fampiharana ny voka-pikarohana mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana ataon’ireo Malagasy teknisianina. Tanjona ny hanavaozana ny rafi-pamokarana entina hampitomboana ny vokatra.

Mikendry ny hanarenana ny rafi-pamokarana raha sendra misy voina mianjady vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ny tetikasa mahakasika ny fanjarian-tsakafo miarina (FSRP). Miara-manatanteraka azy ny CGIAR sy ireo Ivontoeram-pikarohana nasionaly (Fofifa, Fifama­nor), ny CFFamma ary ny Soc. Famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Natao tany Ampefy, ny 4-6 febroary teo ny atrikasa, nandrafetana ny paikady ho fanapariahana ny fanavaozam-pamokarana, notarihan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nisy koa ny fizarana ny voka-pikarohana vaovao tanaty FSRP, entina hanapariahana azy any ambanivohitra. Miisa 43 ny teknolojiam-pambolena nosedraina mba ho tohana hampivoarana ny fambolena sy ny fiompiana isak’ireo toe-tany mizara 5 lehibe eto Madagasikara.
Nambaran’ny mpandrindra ny fifanarahana eo amin’ ny FSRP-CGIAR, Randriamia­ra­manana Mamitiana Eric fa «fanamby hatao taorian’ny andrana ny hanapariahana azy any amin’ny faritra, hampitomboana ny vokatry ny tantsaha». Manome lanja ma­nokana ny teknolojia mampitombo ny otrikaina amin’ny sakafo ny tetikasa FSRP. Indrindra amin’ireo voly stratejika, laharam-pahamehan’ny faritra 6 eto Mada­gasi­kara, toy ny vary, ny katsaka, ny ovy ary ny mangahazo. Eo koa ny fiompiana omby sy ny ondry aman’osy.
Omena lanja ny vehivavy
Nanamafy ny filohan’ny fikambanam-behivavy FVTM, Razafindrasoa Hélène, fa “mihemotra ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo rehefa tohanana ny vehivavy tantsaha. Ho azy, mamaly ny filan’ny vehivavy ny FSRP-CGIAR amin’ny famatsiana fitaovana, zezika, masomboly ary fiofanana ara-teknika.
Ankoatra ny atrikasa, nisy ny fitsidihana ny Sahan’ny Fofi­fa, fampitomboana ny ma­som­boly fototra tsaramaso tany Ambohi­da­nera Soavinan­driana, Ka­janga, Antanetim­boahangy, Antanetibe ary Ampefy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: